Recherche

Connexion



Omeo Penina Aho...

Jeudi, 02 Décembre 2010 10:14 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 7
MauvaisTrès bien 

 


 

OMEO PENINA AHO


Omeo penina aho

Hanoratako ny ditrako

Hilazako ny efa vitako

Hitsikerako izato vintako


Omeo penina aho

Handikako ny tantarako

Hikaloiko izay tsy zakako

Mba ho solontenan'ito vavako



Omeo penina aho

Mba tsy hisy ho zary neniko

Tsy hisy na iray aza hafeniko

Fa hovoadikan'ito peniko


Omeo penina aho

Hamaritako ny hoaviko

Hanoritako ny làlako

Sy izay mety hiafarako


Mise à jour le Vendredi, 16 Septembre 2011 12:06

Ajouter un Commentaire