Recherche

Connexion



Tsy aritro

Dimanche, 18 Juillet 2010 17:12 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 



TSY ARITRO

Nitsiky aho 
Dia nanantona anao
Dia mody hoe izao sy izao
Nefa...tsy aritro

Teo aho
Dia nanontany anao
Iza moa no anaranao
Mba lazao
Nefa...tsy aritro

 

Nitsiky ianao namaly ahy
Toa tsy niahotra fa sahy
Dia indro koa nanadihady
Injay fa be sangy sahady

Nefa tsy aritro
Tsy tandriko
Tafasakambina anao ny sandriko
Ny hanoroka anao...tsy tandriko

Mise à jour le Vendredi, 30 Septembre 2011 12:44

Ajouter un Commentaire