Recherche

Connexion



Jiro hafa indray

Lundi, 19 Juillet 2010 18:23 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 


JIRO HAFA INDRAY

Moa nataoko ho ampy ahy
Na nitsilopilopy mampanahy
Ilay tsikinao, tsikim-panahy
Ilay tsiky iray nambabo ahy

Moa nataoko ho feno hatrany
Ilay fo toa vazy tany
Namboleko raozy iray
D'ilay raozy fotsy nampiray

Moa nataoko fa haharitra
Tsy mba ho lany tsy ho ritra
Ilay rano nanondrahako azy
Hay ianao nivazivazy

 

 

Moa nataoko fa tsy ho lefy
Ilay jiro nanazava
Ny andro rehetra voatefy
Ho andro iray tena malaza

Saingy lasa ianao nandao
Fa efa tofoka sy lao
Mikarakara zaridaina
Ilay tsy mba misy ho antenaina

Koa indro jiro hafa indray
No entiko hasolo ilay
Taratrao tsy mba ho anjarako
Ilay tsy ho anisan'ny tantarako




Mise à jour le Jeudi, 22 Septembre 2011 13:21

Ajouter un Commentaire