
|
...MALALA A... Tsy haiko fa lasalasa hoy aho ny saiko Mandinindinika anao ry aiko Ianao sy ny momba anao Ka tsy hita fa izao, manoratra eto indray izao Dia ianao tokoa moa izany No ilay tokako eto an-tany Tena tiana sady mamy Tena marina anie izany Tena tiako sady mamiko Hatrany ambony hatrany ambany Tena fy no sady laniko Tsy mba hisy fiafarany Dia hiadivanao moa aho Anehoanao izao toetra ratsy rehetra izao Nefa dia mbola tia hatramin'izao Tsy manan-tsaina ny handao |
Ny fofonao, ny orokao |
Commentaires
Flux RSS pour les commentaires de cet article.