Recherche

Connexion



amitié

Une Vie Foutue

Lundi, 27 Septembre 2010 08:11 Talenta Kanto
Imprimer PDF

Tu vois en moi une fille pleine de vie

Tu pourrai aussi trouver que je suis jolie

Mais au fond sans l'avoir voulu

Je mène toute une vie foutue

Mise à jour le Mercredi, 21 Septembre 2011 12:00
 

Drôle

Lundi, 23 Août 2010 09:26 Talenta Kanto
Imprimer PDF

C'est drôle, elle me déteste

Parfois même elle me teste

 

Elle simule des gestes

Pour voir en moi une petite peste

Mise à jour le Mercredi, 21 Septembre 2011 12:02
 

Inty ny tanako

Jeudi, 29 Juillet 2010 15:14 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 


INTY NY TANAKO

Raha iny lasana iny
Ilay masoandro nandrandraina
Mba ho eo mandra-maraina
Aza mba omena tsiny

Raha indreny fa nandao
Ireo kintana an-tapitrisa
Tokony hitoetra hoy ianao
Aza mba ilàna kisa

Raha tsy zakanao intsony
Ity kapoakam-piainanao
Raha nandao anao ny fony
Aoka ianao tsy hitalaho

 

Mbola hisy masoandro
Hanazava indray ny andro
Mbola hipody indray ny kintana
Hanatsara izany vintana

Mandra-piandrinao izany,
Inty aho eto ihany
Izay andrinao, andrasako
Fa izao aloha, inty ny tanako


Mise à jour le Lundi, 06 Juin 2011 11:53
 

Hafanana hafa

Lundi, 26 Juillet 2010 15:44 Talenta Kanto
Imprimer PDF


HAFANANA HAFA

Mangatsiaka be ny aty
Mamanala aoka izany
Ngolingoly be ny ihany
Satria ianao any lavitra any

Hanaovako avokoa ny akanjo
Saronako bà koa ny ranjo
Saingy mbola mangatsiaka
Rehefa tsy mifamihina isika

 

Dia sotroiko avokoa
Izay mafana hitako ato
Saingy, rano raraka tokoa
Fa ny anao ihany no tena kanto

Dia feheziko ny tanako
Ahidiko mafy koa ny vavako
Any ianao izay rahavako
Ilay hafanana ilain'ny tratrako

Mise à jour le Mardi, 20 Septembre 2011 12:36
 

Rindra

Mardi, 20 Juillet 2010 16:38 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 



RINDRA

Rindra
Ilay anaran-tsy hay hafindra
Anarana iray tsara rindra
Ilay anaran-tiako indrindra

Rindra
Ilay fijerinao mirindra
Ilay fitsikinao indrindra
Ilay fidolan'ny famindra
Tena mambabo aky ry Rindra
Rindra
Tiako raha hiaraha-mamindra
Izato fiainan-tsara rindra
Saingy indrisy efa voarindra
Ho any an-kafa ianao no hifindra

Rindra
Ilay anaran-tiako indrindra
Mbola indro fa harindra
Na dia efa ninia nifindra
Mbola indro hahindrahindra

...RINDRA....


Mise à jour le Mardi, 19 Juillet 2011 12:43