
|
RINDRA Rindra Ilay anaran-tsy hay hafindra Anarana iray tsara rindra Ilay anaran-tiako indrindra Rindra Ilay fijerinao mirindra Ilay fitsikinao indrindra Ilay fidolan'ny famindra Tena mambabo aky ry Rindra |
Rindra Tiako raha hiaraha-mamindra Izato fiainan-tsara rindra Saingy indrisy efa voarindra Ho any an-kafa ianao no hifindra Rindra Ilay anaran-tiako indrindra Mbola indro fa harindra Na dia efa ninia nifindra Mbola indro hahindrahindra ...RINDRA.... |