Recherche

Connexion



Hafanana hafa

Lundi, 26 Juillet 2010 15:44 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 


HAFANANA HAFA

Mangatsiaka be ny aty
Mamanala aoka izany
Ngolingoly be ny ihany
Satria ianao any lavitra any

Hanaovako avokoa ny akanjo
Saronako bà koa ny ranjo
Saingy mbola mangatsiaka
Rehefa tsy mifamihina isika

 

Dia sotroiko avokoa
Izay mafana hitako ato
Saingy, rano raraka tokoa
Fa ny anao ihany no tena kanto

Dia feheziko ny tanako
Ahidiko mafy koa ny vavako
Any ianao izay rahavako
Ilay hafanana ilain'ny tratrako

Mise à jour le Mardi, 20 Septembre 2011 12:36

Ajouter un Commentaire