
|
RATRAM-PO
Ilay fery iray anaty Nozaraiko taminao Toa entiko ho mandra-maty Satria tsy mba notsaboinao
Ireny sentoko mazana Ireo ranomaso toa tsy tana Toa efa ho ritra tsy hisy intsony satria tsy mba teo ianao hampitony
|
Ireo tarainako tsy an-kiato Na dia nilako anao hampiato Ny havonavonao miavosa Dia afo nahatonga ahy ho kanosa
Ireny ratra rehetra ireny Na dia tsy naloakako an-teny Niriko ho sitrana am-pitiavana Kanefa ianao tsy hita ho namana |