Recherche

Connexion



MISY

Jeudi, 27 Janvier 2011 13:39 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

MISY


Misy teny tsy hay tononina

Na dia efa noforonina

Tsy hay lazaina tsy hay vakiana

Amin'ireto masonao sondriana


Misy rima tsy voafehy

Misy amboaram-peo sy hehy

Tsy hay faritana kanefa

Am-ponao any no miantefa



Misy kalo tsy nohiraina

Tanaty angola mitaraina

Na koa tanaty sento lalina

Vao niandoha dia efa fanina


Misy kosa fo mitia

Te hiara-mita amindry

Hamakivaky ny fitia

Vonona haharitra ho doria


Mise à jour le Lundi, 19 Septembre 2011 13:59

Ajouter un Commentaire