
|
MISY
Misy teny tsy hay tononina Na dia efa noforonina Tsy hay lazaina tsy hay vakiana Amin'ireto masonao sondriana
Misy rima tsy voafehy Misy amboaram-peo sy hehy Tsy hay faritana kanefa Am-ponao any no miantefa |
Misy kalo tsy nohiraina Tanaty angola mitaraina Na koa tanaty sento lalina Vao niandoha dia efa fanina
Misy kosa fo mitia Te hiara-mita amindry Hamakivaky ny fitia Vonona haharitra ho doria |