
|
TANTARANAY
Nifankatia ela izahay roa Nifampizaha toetra dia nifamolaka tokoa Nifampitsara endrika sy nifandinika ela Raha nisy kely aza dia teo no tavela
Nifanatsafa teny izahay, nifanadala koa Nifampitsapatsapa, nifampiseho mokon-doha Niara-nihataka indraindray, nefa koa niara-fay Rehefa samy nahatsapa fa hay ity afo mahamay
|
Nifandao matetika izahay roa Nifamaly mazàna ihany koa Nifampizara izay tsy zaka sy izay rehetra tao am-po Dia nifamerina indray fa hoe vonona hikaon-doha
Nifampidinika ela tokoa izahay roa Nifanakalo hevitra, nikaroka izay mahasoa Tapa-kevitra avy eo fa hiroso sy hanorin-tokantrano Ny sisa ankinina amin'ny Avo mba tsy hidiran'angano |