
|
IANAO
Nanontanianao aho indray andro izay Hoe moa ve ianao mba tena tia ahy Vahotra ny vavako, te hilaza nefa tsy sahy Feno fitia, feno alahelo, eny feno ahiahy
Ianao ve moa hatoroko sy hilazako indray Izay rehetra tato am-poko, hatrizao ka hatrizay Fa na ny ataoko, na ny fisainako eny na ny ati-fanahy Efa lasanao, efa anao mandrakizay
|
Niondrika ianao toa tsy nahajery ahy Lasa vinany, manembona sa mahatsiahy Toa mbola tsy tena mino izay rehetra nolazaiko Sa kosa ve tsy nahalala?Asa lahy fa toa tsy haiko
Vongan-dranomaso teo an-tankolakao No namaly toa tsy satry izato fanontanianao Eny fantatro fa tia ianao matoa tsy nisalasala Tia anao aho ka matahotra ny hahavery anao malala |