Recherche

Connexion



MAMELA

Mercredi, 16 Mars 2011 12:27 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

MAMELA


Mamelà raha mbola tia

Ilay fonao na dia feno ratra

Mamelà na dia tsy ho vita

Ny hanadino izay tsy zaka


Mamelà raha mbola mino

Fa tsy foana ny fitia

Mamelà raha te hanadino

Fa nisy fo iray nania



Mamelà raha mbola te hahatsiaro

Ireo androm-pifaliana maro

Mamelà raha mbola te handre

Hirahiram-pifaliana maro be


Mamelà ary aza mahatsiahy

Izay nanosihosy anao tsy nahy

Mamelà fa any volana any taona

Mbola hifaly ianao, ary izy hisaona


Mise à jour le Vendredi, 19 Août 2011 11:40

Ajouter un Commentaire