Recherche

Connexion



MATOKIA

Mercredi, 13 Avril 2011 09:02 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

MATOKIA


Eny akia, matokia

Fa mbola tsy niova ilay fitia

Naborako omaly, nolazaiko tany aloha tany

Tsy mbola nisy nipika fa mbola eto ihany


Eny akia, aza manahy

Fa tsy mbola niova ilay fo mitempo feno fitia

Natolotro omaly, niantsampazako hatrizay teny an-tsandrindry

Fo mbola mafana, fo mbola miaina izany raha ny ahy


 

Eny akia, fihino mafy

Ireto tanako manafosafo sy vonona hiaro ilay fitia

Ilay nifanekentsika fa haharitra ho doria

Fihino mafy fa aza mihafihafy


Eny akia, matoria

Eto an-tratrako eto indry

Fa raha ilay fitia

Tsy mbola niova, tsy nania


Mise à jour le Lundi, 09 Mai 2011 08:24

Ajouter un Commentaire


Continuer votre lecture sur