Recherche

Connexion



HAFALIAM-PO

Lundi, 03 Janvier 2011 08:17 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

 

HAFALIAM-PO


Raha ny hafaliam-poko

No ho tantaraiko anao

Tsy hovoafintiko an-toko

Tsy ho voalazako amin'izao


Raha ny hasambarana renesiko

Tsy mba ho vita ho ventesiko

Tsy ho voafehy anaty teny

Na ho tanisaina ombieny ombieny



Raha ny fidoboky ny fo

Dia tsy hay hafenina tokoa

Saingy tsy hisy teny hahalaza

Na dia ho tantara lava


Fa na izany tsy hafeniko

Feno loatra ny fo keliko

Feno hafaliana sy fiadanam-po

Fa tena tia, mahatsiaro tiana ihany koa



Mise à jour le Vendredi, 28 Janvier 2011 09:16

Ajouter un Commentaire