Recherche

Connexion



Misaotra Anao

Mercredi, 05 Janvier 2011 09:28 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 2
MauvaisTrès bien 

 

MISAOTRA ANAO


Andriamanitra ô tsy ho haiko

Ny tsy hisaotra indray Anao

Noho ny fahalavorarianao

Ao anatinay tsirairay ao


Eny tsy haiko ny tsy hitanisa

Ireny fitiavana an-tapitrisa

Ny fitahianao, ny fiarovanao sy ny sisa

Tanteraka avokoa, akaiky anao no paradisa


Maika moa izao anio izao

Noho ny fitiavanao, satria sitrakao

Dia velona ao am-poko ao

Ny hasambarana tsy mitsahatra mihavao

 

Tanteraka ny teny nifanaovantsika

Noho ianao, dia indro fa tafita

Ny onjan-dranomasim-be midadasika

Ny fifankatiavanay, ka tojo tora-pasika


Anao ny haja sy ny voninahitra ry Tompo

Anao izahay rehetra, an-tànanao no mitoetra

Ka izao vetsom-bavaka iray avy ao am-poko

Enga anie hahafehy izay tsy voalazako rehetra

 

Mise à jour le Jeudi, 26 Mai 2011 06:32

Ajouter un Commentaire