
|
MISAOTRA ANAO
Andriamanitra ô tsy ho haiko Ny tsy hisaotra indray Anao Noho ny fahalavorarianao Ao anatinay tsirairay ao
Eny tsy haiko ny tsy hitanisa Ireny fitiavana an-tapitrisa Ny fitahianao, ny fiarovanao sy ny sisa Tanteraka avokoa, akaiky anao no paradisa
Maika moa izao anio izao Noho ny fitiavanao, satria sitrakao Dia velona ao am-poko ao Ny hasambarana tsy mitsahatra mihavao
|
Tanteraka ny teny nifanaovantsika Noho ianao, dia indro fa tafita Ny onjan-dranomasim-be midadasika Ny fifankatiavanay, ka tojo tora-pasika
Anao ny haja sy ny voninahitra ry Tompo Anao izahay rehetra, an-tànanao no mitoetra Ka izao vetsom-bavaka iray avy ao am-poko Enga anie hahafehy izay tsy voalazako rehetra |