
|
TIAKO IANAO
Mamiko Ianao ilay tsy mba nahafoy Na dia efa nilaozako hatry ny ela be Tiako Ianao ilay tsy nitsahatra niaro Na dia tsy mba nohenoiko tanatin'ny fotoana maro
Teliko Ianao ilay tsy mba nisasatra nitia Na dia nilaozako nandao, nieboebo sy niriaria Tsy foiko Ianao ilay teo anilako hatrany Na dia efa fantatrao aza aho fa tena zaza mpandany
|
Isanandro aho isan'ora no mahatsapa fa tia ahy Ianao Ilay tsy mivadika amin'ny ora tena nitadiavako anao Sitrako sy ankatoaviko fa loharanom-pitiavana Ianao Ianao mizara tsy mitsahatra manome fitia vaovao
Tiako Ianao ry masoandroko, r'ilay hany taratra hazavako Ilay tsy nahasaraka ahy, hatrizay ka hatrizao Nandao anao aho hatrizay, fotoana ireny fahazazako Ankehitriny aho efa Anao, inty aho Tompo hanjakao
|