Recherche

Connexion



DIARIKO

Mercredi, 25 Août 2010 07:25 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 



DIARIKO

Ito izao ilay diariko

Hirahirako isanandro

Amborahako, hitantarako

Alahelo, hafaliana, raha vao maraina ny andro


Ito izao ilay nosoratako

Nitoriako ilay fitia

Fitantarako izay tantarako

Fony aho vao nianatra nitia


Ito indrindra ilay tsy foiko

Tsy mba mahasaraka ahy

Ilay vimbiniko, trotroiko

Ilay silaka fanahy

 

Ito koa anie ilay hany

Hany namana tsy foy

Rehefa injay aho fa tomany

Izy hanao hoe "hadinoy"


Ito am-pelatànako ito

Ilay havadiko i-mpito

Hangalako torimaso

Rehefa sompatra ny ankaso


Ito koa no hany laka

Hazahoako manjaka

Anaty fitia miorim-paka

Anaty fiainana tsy zaka


Mise à jour le Lundi, 06 Décembre 2010 08:11

Ajouter un Commentaire