
|
DIARIKO Ito izao ilay diariko Hirahirako isanandro Amborahako, hitantarako Alahelo, hafaliana, raha vao maraina ny andro
Ito izao ilay nosoratako Nitoriako ilay fitia Fitantarako izay tantarako Fony aho vao nianatra nitia
Ito indrindra ilay tsy foiko Tsy mba mahasaraka ahy Ilay vimbiniko, trotroiko Ilay silaka fanahy |
Ito koa anie ilay hany Hany namana tsy foy Rehefa injay aho fa tomany Izy hanao hoe "hadinoy"
Ito am-pelatànako ito Ilay havadiko i-mpito Hangalako torimaso Rehefa sompatra ny ankaso
Ito koa no hany laka Hazahoako manjaka Anaty fitia miorim-paka Anaty fiainana tsy zaka |