
|
TALENTANAO
Izay rehetra haiko Ireo voasoratry ny tànako Dia tsy misy avy ao an-tsaiko Fa avy Aminao no nahalalako
Fa izay rehetra atao Raha mbola vanona sy tò Dia mbola noho ny Aminao Fitiavanao ry Ray Tsitoha |
Ary izay rehetra tiako Sy izay mba faniriako Matoa aho mbola afaka mifaly Dia mbola noho Ianao ihany
Izaho miventy tononkalo Tsy misy teny iray avy amiko Tsy notovoziko taminao Fa Talentanao ireo no nindramiko |