
|
FENONAO
Fenonao ny androko anio Feno ny tsikitsikinao Feno ny tambitambinao Feno ny fitiavanao
Fenonao ny androko anio Feno ny safosafonao Feno ny orokorokao Feno ny angolangolanao |
Fenonao ny androko anio Feno ny hatsaranao Feno ireny hiranao Feno ny antsam-pitiavanao
Fenonao ny androko anio Feno fitiavana madio Afaka miriaria Fa manana fo iray mitia |