Recherche

Connexion



Hay Ve...

Mercredi, 23 Février 2011 09:27 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

HAY VE


Hay ve tsapanao ihany izao izany hoe tia izany

No hatrizay aho niteny anao noraisinao ho hanihany

Izao aho efa lasa lavitra vao indro indray ianao tamy

Koa aza gaga raha tsy mandaitra intsony ireny tambitamby


Nitia ihany aho ary ekeko mety mbola tia

Saingy kosa tsy hiverin-dàlana satria

Ny alahelo miavosa ato anatin'ny foko ato

Mandrara ahy, mibedibedy, mananatra ahy tsy an-kiato


Hay ve henonao ihany fa maharary anie izany

Hoe tia mivezivezy hatrany saingy tsy misy mpanontany

Izao aho efa niova lasy, niova fo, niova akany

Vao indro ianao mitantara amiko izany hoe nenina izany

Mba maro anie izay ranomasoko efa latsaka izay

Marary ihany koa ny fo noho ny efa vita hatrizay

Saingy hikimpy aho sy hanentsina ny sofiko ankiroa

Hanadino sy hamafa ny tantarantsika roa


Hay ve izao hitanao ihany fa hafa ihany izany hoe tiana

No teo anilanao aho hatrizay nampitondrainao fijaliana

Izao aho efa dify lavitra ka na hitalaho aza ianao 

Izaho hiezaka hanorina fianam-baovao tsy misy anao


Mise à jour le Mercredi, 28 Septembre 2011 13:03

Ajouter un Commentaire