|
HAFAHAFA
Hafahafa foana, tezi-dava ny miaraka aminao Mitabataba lava sy ady lava ny eo akaikinao Masoandro migaingaina aho tabatabainao Ka na inona hitranga, rehefa mbola toy izao Zaho tsy hiaraka aminao Ianao ihany re no tiako, ny any an-kafa tsy ahoako Fa ny ohatr'izao tsy ekeko
Fa ohatran'ny tsy zakako ianao e, Tsy hay tohinina Tsy afaka hifandaminana ianao e, Reveko saingy tsy hay tenenina
Mihetsika kely aho, bedesinao Mankany amin'ny neny aho, kihaninao Vita tononkira ny fiainako Miainga indray ny kihana |
Hafahafa foana, tezi-dava ny miaraka aminao Mitabataba lava sy ady lava ny eo akaikinao Masoandro migaingaina aho tabatabainao Ka na inona hitranga, rehefa mbola toy izao Zaho tsy hiaraka aminao Ianao ihany re no tiako, ny any an-kafa tsy ahoako Fa ny ohatr'izao tsy ekeko
Matoa mamo lava aho dia ianao Matoa tsy mody an-trano aho dia ianao Marary an-doha lava aho dia ianao Feno anao ny fiainako
Saika hiova akama aho dia ianao Dizina sy lavo aho dia ianao Vita tononkira ny anaranao F'efa izay no notadiavinao! |
Commentaires
Flux RSS pour les commentaires de cet article.