
|
TSY TIAKO
Tsy tiako fa hindramiko Ilay masonao nangarika Raha sendra ka tsikaritro Nandrovitra ilay voasoratro tsy nahy
Tsy tiako fa sintoniko Ho hita maso maro Ilay avonavonao Nanatsatso ahy, te haneso fa tsy sahy |
Tsy tiako fa teneniko Ary tsy hafeniko F'ianao miandry laza Tsy mba mahafehy vava
Tsy tiako fa leferiko Ny tsy fitiavana habaribarinao Satria tsy misy neniko Izay voasoratro hatrizao |