
|
RAHA TOA Raha toa ka tsy ho ahy ihany ianao Raha tapa-kevitra ny handao Milaza ho tofoka sy lao F'efa nahita vaovao Raha toa ka efa voafindra Ilay fitia izay tsara rindra Nokoloiko mba ho anao Tsy maninona fafao Raha toa ka tsy mitana intsony Irony lasa rehetra irony Ireo voady izay efa natao Tsy misy olana vahao |
Raha toa ka efa maty Ilay vonin-draozy novoleko Zary maina sy poak'aty Mamindra indray no tsara,ekeko Raha toa ka tsy izaho intsony Ilay ho an'ilan'ity fony Tsofiko rano izy hahita Tsy ho azon-tsampona hotafita ...RAHA TOA... |