Recherche

Connexion



FA IZA IANAO

Samedi, 14 Août 2010 15:08 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 


FA IZA IANAO

 

Fa iza moa izato ianao

No miseho mizahozaho

Milaza izay azo atao

Sy izay tsy tokony ho fanao


Fa iza loatra koa ianao

No mandeha rehefa te handao

Miverina amin'ny ora hitanao

Fa metimety amin'ny fiainanao

 

 

Iza hoy aho, iza ianao

No mibaiko ahy toy izao

Mieritreritra ho iza

No miseho manivaiva?


Tsy iza tsy iza raha ianao

Raha ny ao an'eritreritro ao

Olona tsy mba fanao "ianao"

Hafahafa raha ny fisainanao

Mise à jour le Vendredi, 15 Juillet 2011 09:21

Ajouter un Commentaire