Recherche

Connexion



ANDROANY

Jeudi, 19 Août 2010 08:09 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

 


 

 

 


 

ANDROANY


Androany ny peniko tsy mety manoratra

Ny saiko mitokona, tsy mety misokatra

Androany ny foko, tsy mivazo tsy mihira

Androany ny ataoko, tsy mba ataoko an-kira


Androany ny saiko tsy te ho any aminao

Satria tsy misy ambara fa efa tofoka sy lao

Amin'izato lainga, rediredy asesikao

Mbola tsy nisy novaliako hatramin'izao


Androany ny bandy tsy mila tambitamby

Tsy mitomany orokoroka na koa sangisangy

Androany aho raha tia dia sanatria

Raha ho any aminao no hitory fitia


Androany aho tsy kivy na dia feno hatezerana

Androany aho mitraka na dia tsy misy hamelezana

Androany aho hirevy, dia hifoka, hanapy

Androany aho hiezaka hanadino andry


Fa androany aho misaona ny fitiavanao

Androany aho mandroaka an'ilay efa lao

Androany aho misento nefa ho tokana ihany

In-dray mande monja dia hohadinoko ny tomany

Mise à jour le Mercredi, 31 Août 2011 11:32

Ajouter un Commentaire


Continuer votre lecture sur