
|
REHEFA TSY TIANA
Rehefa tsy tiana, tsy voatery valiana Tsy voatery hiafiana, tsy voatery vakina Rehefa tsy tiana, lalovy mangina Fa tsara matoa mbola be mpanakiana
Rehefa tsy tiana, tsy voatery hangina Tsy voatery ho sina, tsy hahita hamaliana Rehefa tsy tiana, tsy voatery hambaniana Fa rehefa tsy tiana dia tsory hoe "tsy tiana" |
Rehefa tsy tò koa ilay faniriana Rehefa tsy misy azo izay rehetra tiana Tsy ny hajan'ny hafa no harabirabiana Fa ny aza mba izay re no mahasondriana
Rehefa tsy tiana dia aleo hikimpiana Rehefa tsy tiana dia aleo hiviliana Rehefa tsy tiana dia aleo tsy hitsiana Ny vava avoaka mba fidifidiana e! |