Recherche

Connexion



Tsy Hitomany

Vendredi, 24 Septembre 2010 06:13 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 



TSY HITOMANY


Hatraiza no fetran'ny hasomparana

Ry zareo milaza ho avara-pianarana

Mifandimby mitsirika, manarangarana

Mifaninana mafy ny ho loha-laharana


Fa ianao no iza no hitsara ahy

Ho olona adala sy very fanahy

Ho olon-tsy havanana, tsy mba mahay

Tsy mahay maneho izay maha-izaho ahy


Mba aiza izay voavatsin'ny sainao

Soraty, asehoy, lazao ka ambarao

Raha toa ianao isan'ny manan-katao

Asehoy mba ho hita, mba zarazarao e!

Nahoana no dia zatra loatra mitsara

Moa izato ianao te ho ratsy fiafara?

Matoa aho mijoro, maha-be ireo taratara

Aza hialonana fa mbola ho avy ny anjara


Hitsikio mora aho raha marina izany

Fa raha diso kosa aho, adinoy any

Ary ny tsara vilana, foano tany

Nefa raha mbola hisy, ny aty tsy hitomany


Ajouter un Commentaire