
|
TOMPO O!
Tsarovy Tompo ô! Ity mpanomponao mitalaho Miangavy mafy ny famindram-ponao Indrindra amin'izao fotoan-tsarotra izao
Antsoiko Ianao Tompo ô! Toy ny Ray mpiaro ahy Raha injay aho be ahiahy Te hisafidy nefa tsy sahy |
Iangaviako Ianao Tompo ô! Hampidina Ilay Fanahy Hameno sy hanenika ahy Hanavao, hanasoa sy hanamasina ahy
Italahoako Ianao Tompo ô! Hanongilan-tsofina hiaino Na dia tsy mendrika aza aho Valio an-tsoa re raha azo atao
Tompo ô! Izao faniriako izao Matoa haborako Aminao Difa fantatro fa hainao atao |