
|
Te ho any
Aleo mba ho any kely ny vinaniko androany Fa efa sempo-dava tsy mahita tory mihitsy aho Mamisavisa anao, manombatombana, maminany Hoe raha mba toy izao sy izao no ataoko anao
Aleo aho aloha mba haka fy Hanofinofy ny eo anilan-dry Fa mafy anie izany hoe tia Tia anao, efa mitsiriritra ery |
Aleo mba tsy hotazoniko ho ahy anio Ilay hafanam-po miaro rivo-tadio Mamelona afo ao anatiko ao Rehefa injay ny saiko fa mankany aminao
Aleo izany re mba ho tò Na dia an'eritreritro ihany aza aloha Aleo aho mba hanonofy mamy Mandra-pahatongako any |