
|
FIHININAO
Indro indray aho fa variana Mamisavisa ny aminao ry tiana Manentoento an'oroko ato Ilay fofom-bolonao mando
Dia indro tazako ato an-tsaiko Izato bikanao ry aiko Alaiko ambony, alaiko ambany Tena kanto anie izy izany |
Safoiko mora toa miangola Fenoiko orokoroka ihany koa Ny eritreritro efa miola Handray anao, hanao soa
Indro ny tànako tsy tànako Fa mamakivaky ny hatsaranao Ny hafanana hila tsy ho zakako Hay moa aho...FIHININAO |