Recherche

Connexion



Neny Tiako

Dimanche, 18 Juillet 2010 17:25 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 


NENY TIAKO

Misy fahabangana tsy mba mety feno
Misy teny mamy tsy mba dia faheno
Raha tsy ianao no miteny azy
Raha tsy ianao no mamazivazy

Misy tsirin-kevitra tsy mba mety matotra
Misy tady izay tsy mba tsara fatotra
Raha tsy eo ianao mba manorotoro
Raha tsy eo ianao andry iray mijoro

 

Misy andro iray tsy mba mety matroka
Feno tsikitsiky, feno tambitamby
Satria teo ianao, tohana sy antoka
Mamirapirapiratra, toa volana somambisamby

Hisy andro maro feno fifaliana
Hisy taona maro mbola hitsikiako
Enga anie ianao tsy hilaozan'olon-tiana
Ry tokiko maharitra, ry neny tiako...

Mise à jour le Mercredi, 15 Juin 2011 14:02

Ajouter un Commentaire