Recherche

Connexion



Tiako Ianareo

Mardi, 04 Janvier 2011 11:54 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

 

 

TIAKO IANAREO


Na ho lavitra izany diako

Na mbola tsy haiko izay ho ampitsoko

Tiako ho re sy fantatrareo

Fa tsy misy foiko ianareo


Na mbola maro ireo sedra

Na mbola ho be ny hisetrasetra

Tsy hisy hahasakana ahy hiteny

Fa tiako ianareo, ianareo irery



Na maro ireo milaza ho tia

Milaza ho tena mpankafy

Tsy hoe tsy hinoako sanatria

Fa mbola hafa ihany ianareo satria


Na tsy mba haiko ny miteny

Sy milaza ombieny ombieny

Izay ato am-poko samirery

Dia tiako ianareo ry Dada sy Neny


Mise à jour le Vendredi, 12 Août 2011 11:43

Ajouter un Commentaire