
|
HO AN'I NENY
Raha tsy teo ianao ry Neny Dia tsy ho efa velively Ireny rehetra rehetra ireny Soa fa teo ianao niteny
Raha tsy teo ianao nananatra Dia tsy ho vitako tsy ho vatrako Ny hamolaka ny vavako Tsy hanozona sy hivatravatra
Raha tsy teo ianao nitantana Dia tsy ho tratrako ny tanjona Na ny asa na ny fianarana Soa fa teo ianao, ka ny hoaviko niaraha-nibanjina
|
Raha tsy teo ianao ry neny Raha tsy teo ianao niaro Mba ho aiza moa aho rehefa irery Iza no mba ho saro-piaro
Iza no mba afaka hiantako Sy hilazako izay manjò Raha tsy teo ianao ry neny Asa re iza tokoa?
Ny hany vavako ombieny ombieny Ho anao irery anie ry neny Homban'ny fitahian'ny Tompo Trotroiko am-bavaka ato am-poko |