Recherche

Connexion



SOMBINAIKO

Dimanche, 18 Juillet 2010 18:00 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 


SOMBINAIKO

Mitsangana sombinaiko
Aoka tsy hahatana anao mihitsy
Raha ny lazolazon'ito aiko
Mijoroa ianao mahitsy

Jereo ny tanako efa lao
Nanatsara ny hoavinao
Ka ndehana re zahao
Izao fahafahanao izao

Mandehana sombinaiko
R'ilay silaky ny aiko
Aoka tsy hahatana anao
Ny fendrofendroko izao
Ry ilay tokako eto an-tany
Indro andao ahy ihany
Tsy hahakivy anefa izany
Fa soa ho anao ihany

Ndeha itsizy sombinaiko
Ndeha ka tsiky no ilaiko
Ny fiverenenao na tsy haiko
Dia mbola hery antenaiko

Mandehana sombinaiko
Ka aoka tsy hahatana anao
Izay tebitebintsaiko
Vità soa ny fianaranao

...SOMBINAIKO....
Mise à jour le Dimanche, 18 Juillet 2010 18:03

Ajouter un Commentaire