
|
SOMBINAIKO Mitsangana sombinaiko Aoka tsy hahatana anao mihitsy Raha ny lazolazon'ito aiko Mijoroa ianao mahitsy Jereo ny tanako efa lao Nanatsara ny hoavinao Ka ndehana re zahao Izao fahafahanao izao Mandehana sombinaiko R'ilay silaky ny aiko Aoka tsy hahatana anao Ny fendrofendroko izao |
Ry ilay tokako eto an-tany Indro andao ahy ihany Tsy hahakivy anefa izany Fa soa ho anao ihany Ndeha itsizy sombinaiko Ndeha ka tsiky no ilaiko Ny fiverenenao na tsy haiko Dia mbola hery antenaiko Mandehana sombinaiko Ka aoka tsy hahatana anao Izay tebitebintsaiko Vità soa ny fianaranao ...SOMBINAIKO.... |