
|
VAVAKA HO AN'I DADA Andriamanitra ô anio Dia ho an'io dadako io No mba hiangaviako anao Fitahiana, fahasoavana, ... Sy izay rehetra mety iriany avy Aminao Andriamanitra ô raha sitrakao Ny ray marary mba sitrano Ny ray tsy mihinana fahano Io dadako io re mba tantano Tsy hidiran-doza, tsy ho azon'angano |
Ny tsara sy ny soa hatrany No irariako ho azy ety an-tany Ny fiantranao raha azo atao No antenaiko avy Aminao Dia izahay zanaka rehetra koa anie ry Ray Hahay haneho fitia ho an'ireo dadanay Nomenao, natolotrao ho an'ny fianakavianay Mba hiahy, hiaro sy hiasa ary koa hampiray Fianakaviana sambatra ao Aminao mandrakizay AMEN ...VAVAKA HO AN'I DADA... |