Recherche

Connexion



Ento Am-bavaka...

Vendredi, 03 Décembre 2010 13:34 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 2
MauvaisTrès bien 

ENTO AM-BAVAKA


Raha tojo fahoriana

Raha sendra hakiviana

Raha mafy ny fijaliana

Raha nilaozana hafaliana


Ento am-bavaka ny fiainana

Ento eo Aminy ny fitarainana

Ankino Aminy ny fiainana

Dia ho hitanao fa hihamaivana


Raha sompatra ny dia

Raha sendra maro ireo tsy tia

Raha toa ianao ondry nania

Raha mitady ilay tena fitia

 



 

 

Ento am-bavaka ny làlana

Asandrato ambony ireto tànana

Aza vizana mangataka

Aza kivy fa eto am-bavaka


 

Ny fiainanao manontolo

Ento am-bavaka daholo

Na ny mafy na ny soa

Tsy handao anao ny Tompo Tsitoha

 


 

 

 



Mise à jour le Vendredi, 10 Juin 2011 07:21

Ajouter un Commentaire