
|
ALA NENINA
Angamba kosa tsy ho neniko Raha toa ka vavaka no hasetriko Ity kapoaka iray tsy teliko Ity hazo fijaliana entiko
Ataoko fa tsy hisy ho tsiniko Raha tonom-bavaka no vimbiniko Hanatsarako izato vintako Hanitsinao izay ratsy vitako
Ho teny tsotra sady fohy Ho vavaka mivantana tokoa Tompo malala ô, aza mahafoy Ity zanakao mba hamindrao fo |
Miaiky aho fa diso tokoa Miaiky aho fa ninia nanota Nefa re ry Tompo Tsitoha Manome toky aho tsy hanindroa
Ry Ray malala ô, raha sitrakao Henoy vavaka ity zanakao Miangavy re, mba mitalaho Tanteraho izao faniriako izao
Amen ! |