Recherche

Connexion



Misaotra Anao Izahay

Jeudi, 16 Décembre 2010 07:00 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 0
MauvaisTrès bien 


MISAOTRA ANAO IZAHAY


Ho an'izay rehetra efa vita

Sy izay rehetra mbola ho avy

Ny lasa rehetra niaraha-nita

Ny ampitso rehetra hiaraha-miady


Ho an'izay vitanao rehetra ho ahy

Sy izay rehetra mbola ataoko ho anao

Ho an'ireo disadisa sy ireo ahiahy

Ho an'ireo dingana rehetra niarahana nanao


 

Ho an'izay mbola tsy fantatsika

Izay kinasa sy ao anaty eritreritra

Ho an'ireo am-po tsy milaoka voafaritry ny tsiky

Ireo vinavina rehetra voafono anaty hevitra


Ho an'ny fiainana rehetra

Ho an'ilay fitia mitoetra

Ho an'ny ho avy mahafinaritra

Misaotra anao izahay ry Andriamanitra!


Mise à jour le Lundi, 24 Janvier 2011 11:39

Ajouter un Commentaire