Recherche

Connexion



NOFY

Mardi, 18 Janvier 2011 08:56 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

NOFY


Misy nofy iray tsy mba mety ho tanteraka

Mananihany mafy, indraindray toa mila handreraka

Maneso, mahakamo, toa mampivalaketraka

Tsy mety tanterahin'ity tany mpietraketra


Misy eritreritra heverina ho mety

Heverinao ho tsara sy hotontosa vetivety

Saingy angamba mihitsy fa hafahafa loatra

Matoa tsy mety tò, tsy efa ka mampitroatra


Misy hevi-dalina kobonina ao anaty

Mila handrotirotika sy mila hahafaty

Mampitsiry hevitra, nefa hevi-dratsy

'Zay ny hiafarany, ho tanteraka atsy ho atsy

Misy eritreritra alefa nefa foana

Misy haingam-panahy indraindray tonga tsy nahy

Misy koa fitia te hamono ny fotoana

Misy sandry te hiainga mafy koa fa toa tsy sahy


Fa mbola misy kosa nofy iray tsy mba kanosa

Nofy sahy hiady sy hiatrika ny ankaso

Nofy mamy, nofy ratsy, nefa nofy ihany kosa

Mbola hivadika ho fiainana ihany fa andraso



Mise à jour le Jeudi, 10 Février 2011 09:56

Ajouter un Commentaire