Recherche

Connexion



LAVITRA

Lundi, 24 Janvier 2011 11:28 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

 

LAVITRA


Toa mbola ho lavitra ny dia

Raha izay hoe hifankatia

Hifampizara hafaliana sy hiara-hiriaria

Toa mbola nofy ihany satria

Maro loatra ireo mpihatsaravelatsihy


Eny, be tokoa ireo mitsiky

Ny manatsara koa tsy vitsy

Fa saingy ao ireo maneso anaty

Ao indrindra ireo maniry ny hahafaty


 

Toa mbola ho henjana ny ady

Raha ny hoe hamaha an'ito tady

Mamatotra ny tsirairay

Dia ny fitiavan-tena, sa tsy izay?


 

Toa mbola ho nofy ihany mantsy

Raha ny hoe atsy ho atsy

Dia hifandray izao sy ianao

Fa aleoko ihany amin'izao

Mise à jour le Lundi, 14 Février 2011 13:05

Ajouter un Commentaire