
|
MIANDRY AHO
Mino aho, manantena ihany koa Fa mihaino ahy Ianao ry Tompo Tsitoha Hamafiso ny finoako raha mitady ho lefy Ary aoka ho Aminao irery aho no hifefy
Efa voalazanao fa izay rehetra hangatahiko Raha harahiko finoana dia tsy hihodinanao Koa na dia marefo tahaka izao aza ny fanahiko Aoka aho mba tsy hilaozanao raha toa ka sitrakao
|
Entitra ny teninao raha nibedibedy ahy Mahatsapa aho fa diso sy tsy mendrika Anao Nefa indro aho tonga, mbola mijoro sady sahy Miandrandra mafy valim-bavaka avy Aminao
Ianao ihany no niteny fa izay mahatoky Anao Na dia efa hila ho very dia tsy mba hilaozanao Miandry aho, manantena fa Ianao tsy hanary ahy Matoky indrindra ihany koa ny fitiavanao ka tsy manahy
|