Recherche

Connexion



Omeo Inspiraka

Mercredi, 30 Mars 2011 07:59 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 


OMEO INSPIRAKA

 

Hitantarao fiainana aho hanainga ny inspiraka

Fa na ny peniko aza toa efa drodroka sy vizana

Hitorio fitiavana aho na hilao ady kely

Fa Tsy mahita hosoratana, tena tsy lainga velively


Hilazao vaovao aho, hitantarao zava-maro

Tsy maninona io na lainga na koa aza hoe angano

Hihirao hira malahelo aho, hitantarao ny hafalianao

F'izany no manainga ny fanahy mpikalo ao anatiko ao


 

Omeo inspiraka aho fa te hanoratra ny peniko

Saingy efa lany voatanisa izay mba tsiambarateloko

Omeo ainga avy aminao aho, omeo inspiraka vaovao

Hamohazako ny fo mpikalo toa matory anatiko ao


Izay ary aho fa tsy mahita holazaina intsony

Nefa ny saiko mivezivezy, ny fanahy tsy mety tony

Mamisavisa, maminany, miezaka mandefa fisainana

Miezaka mitady teny enti-mitantara izato fiainana


Mise à jour le Mardi, 23 Août 2011 13:37

Ajouter un Commentaire