Recherche

Connexion



Mbola Hitraka

Mercredi, 10 Août 2011 13:05 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

 


MBOLA HITRAKA


Rehefa tsy misy mihaino intsony aho

Rehefa dify sady lefy

Ny fahaizako mandahatra izay teny rehetra mety

Azoko handrotsirotsiana anao


Rehefa rahatrizay ka foana

Ny tontolo nofinofiko

Ilay ao anatiko mivaona

Raha injay ho rotidrotika


Rehefa ho feno ny adalako 

Ity takelaka hifandraisantsika

Ilay mba hany fizarako 

Ny amiko, ny momba anao, ny fiainantsika

 

Rehefa tsy ho eo intsony ianao

Hihaino izato redirediko

Izato alahelo iray tsy teliko

Dia ho aiza aho hoy ianao


Tsy handositra aho fa ho eto ihany

Tsy hahafehy ahy akory raha ny tany

Izaho hanjohy ny diam-peniko tsy tratra

Izaho mbola hiezaka hitraka


Mise à jour le Jeudi, 25 Août 2011 11:41

Ajouter un Commentaire