Gasigasy Mamy Tsara
Nifoha indray ny maraina
Toa tsy kamo aho tsy nalaina
Vonona ny hiasa tsara
Fa gasigasy mamy tsara
Mise à jour le Lundi, 08 Août 2011 11:49
|
Malagasy Aho

Tiako ianao ry tenin-drazako
Ankafiziko, lalaiko
Ianao ilay hany fiantsampazako
Raha be ny zavatra holazaiko
Mise à jour le Jeudi, 21 Avril 2011 11:34
Antananarivo
ANTANANARIVO
Antananarivo
Tanànan'Iarivo
Mise à jour le Mardi, 24 Août 2010 10:08
Ry fireneko
Eny ekeko, ry Fireneko
Fa mahaleo tena ianao izao
Afaka ny gadranao
Ka akory ity ho atao?
Mise à jour le Lundi, 06 Décembre 2010 13:35
AKAIKEZO

AKAIKEZO
Ontsa loatra ity foko
Mandinika ity fiainanao
Vonton-tsento sy toloko
Misaina izay mba hoavinao |
Sarotra eny ity ny làlana
Tsy hita izay mba hifaharana
Tanam-polo izao ianao
Miady irery izay ho anao |
Mise à jour le Lundi, 19 Juillet 2010 18:17
Izao sisa...

|
Izao sisa....
Dia izao ianao sisa ry Tanindrazako
Ilay hirahiraiko, ilay hindrahindraiko
Ho tany niaviako, ho tany mbola hodiako
Ho lovan'ny taranako, niavian'ny anarako
...
|
Rediredy izany sisa
Revirevy no hany sisa
Entiko milaza izany, mitanisa fotsiny ihany
Satria ...
Dia izao sisa.....
|
Mise à jour le Jeudi, 04 Août 2011 09:44
ONENA ANAO

|
ONENA ANAO
Onena anao ny foko ry Malagasy
Indraindraina ianao, antenaina tsy ho ratsy
Saingy indrisy mantsy
Fa mbola mandry andriran'antsy
Tsy vitsy aminao no mandry fotsy
Lavi-tambitamby, lavi-drotsirotsy
Rovi-damba ririnina
Tsisy atokona,tsisy vimbinina
Maro aminao koa
No mbola matim-balisoa
Tsy hiasa hanasoa
Fa manango-tombontsoa
|
Ao aminao daholo
Na mahantra na marary
Tsy tanora, tsy fotsy volo
Toa be taraina fa mijaly
Ao dia ao tokoa ireo manana
Tsy mizara izay an-tànana
Fa manangona, manjanaka
Dia lazaina ho mitsinjo ny taranaka
Eny ho'aho raMalagasy
Onena anao ny foko tia
Onena anao mangasihasy
Maro tiana fa tsy misy MPITIA
|
Mise à jour le Vendredi, 19 Août 2011 11:39
|
|
|
|
|