Recherche

Connexion



ONENA ANAO

Dimanche, 18 Juillet 2010 16:48 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

 

ONENA ANAO

Onena anao ny foko ry Malagasy
Indraindraina ianao, antenaina tsy ho ratsy
Saingy indrisy mantsy
Fa mbola mandry andriran'antsy

Tsy vitsy aminao no mandry fotsy
Lavi-tambitamby, lavi-drotsirotsy
Rovi-damba ririnina
Tsisy atokona,tsisy vimbinina

Maro aminao koa
No mbola matim-balisoa
Tsy hiasa hanasoa
Fa manango-tombontsoa

 

 

Ao aminao daholo
Na mahantra na marary
Tsy tanora, tsy fotsy volo
Toa be taraina fa mijaly

Ao dia ao tokoa ireo manana
Tsy mizara izay an-tànana
Fa manangona, manjanaka
Dia lazaina ho mitsinjo ny taranaka

Eny ho'aho raMalagasy
Onena anao ny foko tia
Onena anao mangasihasy
Maro tiana fa tsy misy MPITIA

Mise à jour le Vendredi, 19 Août 2011 11:39

Ajouter un Commentaire