
|
AKAIKEZO Ontsa loatra ity foko Mandinika ity fiainanao Vonton-tsento sy toloko Misaina izay mba hoavinao Sarotra eny ity ny làlana Tsy hita izay mba hifaharana Tanam-polo izao ianao Miady irery izay ho anao Teo ireo mba tena namana Ireo sakaiza tsy mandao Nanampy anao nanolo-tànana Saingy toa nolavinao |
Indro ianao irery sisa Mifendrofendro mitanisa Aiza ireny lasa ireny Tsy mba tazana eny ho eny? Taon-dasa tsy tsaroana Ireo taona maro nimamoana Tanatin'ny adin'y hadisoana Izao ny akaninao no foana Tiako ianao ry Gasikara Na dia tsy mba voakarakara Mitsangana dia herezo Ny "marina" no ndeha akaikezo ...AKAIKEZO.... |