Recherche

Connexion



AKAIKEZO

Lundi, 19 Juillet 2010 18:13 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 



AKAIKEZO

Ontsa loatra ity foko
Mandinika ity fiainanao
Vonton-tsento sy toloko
Misaina izay mba hoavinao

Sarotra eny ity ny làlana
Tsy hita izay mba hifaharana
Tanam-polo izao ianao
Miady irery izay ho anao

Teo ireo mba tena namana
Ireo sakaiza tsy mandao
Nanampy anao nanolo-tànana
Saingy toa nolavinao
Indro ianao irery sisa
Mifendrofendro mitanisa
Aiza ireny lasa ireny
Tsy mba tazana eny ho eny?

Taon-dasa tsy tsaroana
Ireo taona maro nimamoana
Tanatin'ny adin'y hadisoana
Izao ny akaninao no foana

Tiako ianao ry Gasikara
Na dia tsy mba voakarakara
Mitsangana dia herezo
Ny "marina" no ndeha akaikezo

...AKAIKEZO....
Mise à jour le Lundi, 19 Juillet 2010 18:17

Ajouter un Commentaire