
|
MALAGASY AHO
Tiako ianao ry tenin-drazako Ankafiziko, lalaiko Ianao ilay hany fiantsampazako Raha be ny zavatra holazaiko
Tiako ianao ilay tsy nindramiko Fa nolovaiko tamin'ny razako Ilay hany tokako sy mamiko Manome aina izay voalazako
Taminao no nahalalako Taminao no nankahalako Taminao no nitanisako Ireo rediredy sy adalako
|
Ianao nampianatra ahy hiteny Na soa na ratsy aza izy ireny Ianao no tiako raha samy teny Satria ianao dia ahy irery
Tiako ianao ry tenin-drazako Fa avy aminao no nahafantarako Fa manan-danja ny tantarako Manan-karena ny taranako
|