
|
RY FIRENEKO Eny ekeko, ry Fireneko Fa mahaleo tena ianao izao Afaka ny gadranao Ka akory ity ho atao? Eny ekeko, ry Fireneko 50 taona izay no lasa Ka ny vita sy kinasa Moa mba efa voarasa? Eny ekeko, ry Fireneko Fa tsy ambany zioga intsony ianao F'efa miarin-doha, mahay mikomy Mitaky izay ho anjaranao Dia ho inona ny tohiny? Eny ekeko, ry Fireneko Fa afaka tokoa ianao Saingy ny vahoakanao Manao ahoana? Ambarao! Eny ekeko, ry Fireneko Ny fahaleovan-tenanao Ary mbola antenaiko Mbola hivoatra noho izao Ny hoavin'ny taranakao |
Nefa, |