Recherche

Connexion



Gasigasy Mamy Tsara

Jeudi, 21 Juillet 2011 09:09 Talenta Kanto
Imprimer PDF
Note des utilisateurs: / 1
MauvaisTrès bien 

Gasigasy Mamy Tsara

 

Nifoha indray ny maraina

Toa tsy kamo aho tsy nalaina

Vonona ny hiasa tsara

Fa gasigasy mamy tsara



Nisakafo aho avy teo

Tsy dia nahitana feo

Fy dia fy ny vary vao mafana

Fa gasigasy mamy tsara

 

 

Dia iny aho no niakanjo

Haseho sa tsia izato ranjo?

Ilay lamba landy maramara

Tsy adino....

Fa gasigasy mamy tsara



Eny an-dàlana eny aho dia

Be ny mijery, ao ireo tara

Tsy gaga aho satria

Gasigasy aho mamy tsara


Mise à jour le Lundi, 08 Août 2011 11:49

Ajouter un Commentaire