
|
ANTANANARIVO
Antananarivo, Tanànan'Iarivo Ny arivo lahy tsy maty in-dray andro Sa ny arivo ariary hamidy voanjo?
Antananarivo, Amoron-drano iray marivo Ilay tanàna hoe an'ivo I Gasikara no tsahivo
|
Antananarivo, Tanànan'ireo mpanarivo Ireo tsy misasatra mandranto Fahaizana, fahalalana, talenta, kanto
Fa Antananarivo, Tanànan'ny avo sy ny iva Ambony rahona madiva Ireo vahoaka tsy hita isa Miandrandra paradisa |